Salamo 81
MG
1Ho an' ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon' i Asafa. Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
2Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
3Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.
4Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba.
5Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
6Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
7Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.]
8Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.
10Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
12Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.
13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;
14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;
16Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.
Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.