Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 76

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Salamo nataon' i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;
2Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
3Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.]
4Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna.
5Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
6Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
7Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
8Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
9Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
10Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
11Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.
12Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay