Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 75

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon' i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
2Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.]
4Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.
6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
7Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
9Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay