Salamo 70
MG
1Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
2Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;
3Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
4Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
5Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.