Salamo 67
MG
1Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]
5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.