Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 61

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Nataon' i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
2Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,
5Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.
6Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;
8Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay