Salamo 58
MG
1Ho an' ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon' i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona?
2Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
3Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
5Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
6Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô.
7Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
8Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
9Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
10Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy;
11Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.