Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 4

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Salamo nataon' i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
2Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.]
3Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
4Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.]
5Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
6Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.
7Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.
8Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay