Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 36

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' i Davida, mpanompon' i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
2Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
5Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
6Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
7Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
8Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
11Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
12Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay