Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 20

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Salamo nataon' i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
2Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]
4Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
6Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
7Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
9Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay