Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 142

MG

1Maskila nataon' i Davida tamin' izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah.
2Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
3Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.
4Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.
5Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona.
6Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.
7Avoahy hiala amin’ ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay