Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 14

MG

1Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
5Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina.
6Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.
7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay