Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 13

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Salamo nataon' i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
2Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?
3Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
4Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
5Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’ i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay