Baiboly Malagasy, Malagasy Bible

Baiboly Malagasy

Malagasy Bible

Andininy an-tserasera

Salamo 12

MG

1Ho an' ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon' i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
2Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
4Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
6Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.
7Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
8Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.

Baiboly Malagasy no Malagasy Bible eto an-tserasera: Dikanteny Protestanta 1865, Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra.

© 2002–2026 Baiboly Malagasy – MRA

Fifandraisana·Tsiambaratelo·Araho izahay