Andininy Protestanta Malagasy 1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|275E88C9-DBA7-479B-AAF4-523FD36D3522 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy reharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF6547E-634E-4D14-B3A2-12130C55ABC6 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16AE2DC8-ABE4-4144-8DB6-E8F2567DFE07 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4E8F7A7-250B-4B78-A076-B82302F0CB9A 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44A3E4D1-A8C9-4417-97C7-DE3898736917 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa hoe! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|974DD621-C980-4D34-AE33-CA80922F4163 7 "Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C1F9DA-D7FA-4063-A970-5BA5FF1BA638
|