Andininy Protestanta Malagasy 1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D8E8460-FB74-4B39-8806-07B3D79F2304 2 Tamin'izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D56F1A-2984-4FC7-BFFB-3B2246AA03EF 3 Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5914C2EC-BF6F-4A8D-900F-CBAD65C81612 4 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela izany), qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48865911-E42A-450D-940E-6DFD7BA08E98 5 dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA47A983-5131-4003-AD8F-C7AB3EBA25AD 6 tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EAB27DB-52AE-4DCE-A8C8-07CD34660347 7 ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6C517AC-563C-4AFE-9743-D566873401EB 8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E501D6-E96E-4639-81F1-D3BD8084AA98 9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA221D94-9AD4-418A-A9F0-6C55976EA75C 10 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D0B02FE-350A-49F9-A86E-3498DFDECFAE 11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67BC5890-1254-4524-90BC-18E7FFC84314 12 Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51B462B-A960-48F6-A4BF-FED769B7CB4D 13 Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC78513B-99CB-473B-AF1B-0BAD68DAF66E 14 Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|474E9E2F-9207-4EBC-A1FD-8EA8E22B585F 15 Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A8BB13-3736-452D-B748-615BFDB7254C 16 Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C6136A-AEF4-4794-8754-95211E71DA72 17 Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA5FBED7-F4A3-4905-8BAA-C731E3C220F9 18 Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1A2954B-27B6-45D3-A6C5-35B54CA13409 19 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8732F456-BADA-435F-AFB1-36A556F07FFA 20 Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako aty aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58329E6C-C1DC-4306-96CB-752E235A14CD 21 Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604E3FC7-FBDF-41F6-9E03-D3F59BEAEC4D
|