Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko ZAKARIA 1
MALAGASY

1 Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:

2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.

3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.

5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?

6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

7 Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:

8 Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra* teny an-dohasaha*, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [*myrta][**Na: amin'ny alokaloka]

9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.

10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra* dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]

11 Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra* ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]

12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

13 Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.

15 Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.

17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5  |  6  |  7  |  8  |  9  |  10  |  11  |  12  |  13  |  14 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.