Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko MPITORITENY 1
MALAGASY

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany aty ambanin'ny masoandro?

4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

5 Ny masoandro koa miposaka, ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.

7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.

8 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.

9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory aty ambanin'ny masoandro.

10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.

11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.

12 Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;

13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omena'Andriamanitra hisaran'ny zanakan'olombelona izany.

14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.

15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.

16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,

18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5  |  6  |  7  |  8  |  9  |  10  |  11  |  12 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.