Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko MATIO 1
MALAGASY

1 Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida, zanak'i Abrahama.

2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy ;

3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara ; ary Fareza niteraka an'i Jezrona ; ary Jezrona niteraka an-dRama ;

4 ary Rama niteraka an'i Aminadaba ; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona ; ary Nasona niteraka an'i Salmona ;

5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba ; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota ; ary Obeda niteraka an'i Jese ;

6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria ;

7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama ; ary Rehoboama niteraka an'i Abia ; ary Abia niteraka an'i Asa ;

8 ary Asa niteraka an'i Josafata ; ary Josafata niteraka an'i Jorama ; ary Jorama niteraka an'i Ozia ;

9 ary Ozia niteraka an'i Ahaza ; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia ;

10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona ; ary Amona niteraka an'i Josia ;

11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.

12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela ; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela ;

13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda ; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima ; ary Eliakima niteraka an'i Azora ;

14 ary Azora niteraka an'i Akima ; ary Akima niteraka an'i Elihoda ;

15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara ; ary Eleazara niteraka an'i Matana ; ary Matana niteraka an'i Jakoba ;

16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria ; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'ny Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao : Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :

23 "Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela " ( Isa . 7.14 ), izany hoe, raha adika : " Amintsika Andriamanitra . "

24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.

25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy ; ary ny anarany nataony hoe JESOSY.

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5  |  6  |  7  |  8  |  9  |  10  |  11  |  12  |  13  |  14  |  15  |  16  |  17  |  18  |  19  |  20  |  21  |  22  |  23  |  24  |  25  |  26  |  27  |  28 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.