Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko HOSEA 1
MALAGASY

1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.

2 Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.

3 Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.

4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.

5 Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.

6 Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]

7 Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.

8 Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.

9 Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5  |  6  |  7  |  8  |  9  |  10  |  11  |  12  |  13  |  14 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.