|
Nahoana no ny Baiboly? 
Pejy 12 3 4 5
Nahoana aho no mampiasa izay voasoratra ao amin'ny Baiboly rehefa miresaka mikasika an'Andriamanitra na mikasika ny fiainana kristiana? Nahoana aho no tsy manome lanja firy ireo fomba hafa tahaka ny hoe ny saina fotsiny na ny feon'ny fieritreretana ohatra?
Tsy ny hampiseho aminao loatra ny maha-Tenin'Andriamanitra ny Baiboly aloha no tanjona amin'ity lahatsoratra ity fa fampitahana ireo karazam-pahefana mety misy eken'ny olona miresaka mikasika an'Andriamanitra na ny fiainana kristiana. Any amin'ny tapany farany no iresahako, indrindra fa ho anao izay mamaky ny Baiboly na manaiky fa Soratra Masina ny Baiboly, na tsy mpamaky fa vonona hamaky ny amin'ny hoe ampy amin'ny inona moa izay voasoratra?
Misy zavatra izay heverin'ny olona fa mety ahalalà na ny marina ary raisina arak'izany ho fahefana na tompon'ny teny farany. Tsy inona izany fa ny saina, ny fahatsapana sy ny traikefa , ny feon'ny fieritreretana, ny fiheverana ho fihaonana amin'ilay "Teny" fa tsy voatery ho izay voalaza ao amin'ny Baiboly, ary ny fanazavana na ny hevitry ny fiangonana miaraka amin'ny lovantsofina.
Andeha à ry hojerentsika ireo rehetra ireo raha toa ka afaka mitondra ny olona tokoa amin'ny fahalalà na ny marina mikasika an'Andriamanitra ary ny fiainana kristiana.
Pejy 12 3 4 5
© 2007
|