|
Jesosy sy ny Tantara 
Pejy 12 3 4 5 6
Misy lahatsoratra na tantara hafa ve ankoatry ny Testamenta Vaovao sy izay nosoratan'ireo Rain'ny Fiangonana ahalalà na fa nisy tokoa Jesosy?
Arakaraky ny handrosoan'ny fotoana ka hanalavirana ny nahaterahany sy ny namonoana azy no ipoiran'ireo fanozongozonana sy fitsikerana ny fitantarana rehetra mikasika an'i Jesosy voarakitra ao amin'ny Testamenta Vaovao.
Nanomboka ny taon-jato faha-18 vao nisy ny tena mpitsikera ny fisian'i Jesosy ara-tantara, ka isan'ireny ohatra i Hermann S.Reimarus.
Nisy tokoa anefa ireo mpanoratra nilaza mikasika an'i Jesosy teo anelanelan'ny taon-jato voalohany ka hatrany amin'ny taon-jato fahatelo tany ho any ary tsy kristiana fa mpanenjika mihitsy aza ny ankamaroany.
Tsy nisy fisalasalà na tamin'izy ireo ny naha nisy ara-tantara an'i Kristy.
Ireny soratra maro ireny dia manamafy fotsiny ihany ny nisian'i Jesosy ara-tantara na dia misy tsy mifanaraka amin'ny Testamenta Vaovao aza ny hevitry ny mpanoratra sy ny fomba fitantarany.
Tsy azo lazaina noho izany fa nahalà la ny marina tanteraka ireo mpanoratra rehetra ireo.
Mety tsy vaovao loatra amin'ny sasany ireo mpanoratra ireo. Ny mampiavaka azy ato amin'ity lahatsoratra ity dia ny fanakilasiana azy arakaraky ny fihaviany entina hanamafisana fa tsy foko iray na firenena iray na vondron'olona iray ihany no nanaiky ny fisian'ny olona olona iray izay nantsoina hoe "Jesosy" na "Kristy" teto amin'izao tontolo izao.
- Mpanoratra Grika
- Mpanoratra Jiosy
- Mpanoratra Romana
- Mpanoratra Hafa
Pejy 12 3 4 5 6
© 2006
|